Psalms 34

Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon’ izay efa novonjena tamin’ ny fahoriana

Nataon’ i Davida tamin’ izy nody adala teo anatrehan’ i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha.

1

2Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. 3Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay. 4Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. 5Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra. 6Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. 7Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra. 8Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. 9Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. 10Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. 11Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. 12Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo. 13Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 14Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 15Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 16Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 17Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy. 18Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra. 19Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. 20Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany. 21Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 22Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 23Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
Copyright information for Mg1865